Epistily ho an'ny Efesiana 1:19
ary ny fihoaran’ ny halehiben’ ny heriny ho antsika izay mino, araka ny fiàsan’ ny herin’ ny faherezany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 1
Cross References
Isaiah 53:1Iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?
Acts 26:18hampahiratra ny masony hialany amin’ ny maizina ho amin’ ny mazava, ary amin’ ny fahefan’ i Satana ho amin’ Andriamanitra, mba hahazoany famelan-keloka sy lova eo amin’ izay nohamasinina noho ny finoana Ahy.
2 Corinthians 4:7Fa manana izao rakitra izao amin’ ny vilany tany izahay, mba ho an’ Andriamanitra ny halehiben’ ny hery, fa tsy ho avy aminay.
Ephesians 2:10Fa asany isika, voaforona tao amin’ i Kristy Jesosy mba hanao asa tsara, izay namboarin’ Andriamanitra rahateo mba handehanantsika eo aminy.
Ephesians 3:20Ary ho an’ izay mahay manao mihoatra noho ny zavatra rehetra, eny, mihoatra lavitra noho izay rehetra angatahintsika na heverintsika aza, araka ny hery izay miasa ato amintsika,
Philippians 2:13Fa Andriamanitra no miasa ao anatinareo na ny fikasana na ny fanaovana hahatanteraka ny sitrapony.