Epistily ho an'ny Efesiana 2:16
ary hampihavana antsika roa tonta ho tena iray amin’ Andriamanitra noho ny hazo fijaliana, izay namonoany ny fandrafiana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And that he might reconcile both unto God in one body by the cross, having slain the enmity thereby:
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 2
Cross References
Romans 6:6fa fantatsika fa ny toetsika taloha dia niaraka nohomboana taminy hanimbana ny tenan’ ny ota, mba tsy hanompoantsika ny ota intsony.
Romans 8:7satria fandrafiana an’ Andriamanitra ny fihevitry ny nofo; fa tsy manaiky ny lalàn’ Andriamanitra, sady tsy hainy akory izany.
Galatians 2:20Voahombo miaraka amin’ i Kristy amin’ ny hazo fijaliana aho, ary tsy izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko; fa izay ivelomako ankehitriny eo amin’ ny nofo dia ivelomako amin’ ny finoana ny Zanak’ Andriamanitra, Izay efa tia ahy ka nanolotra ny tenany hamonjy ahy.
Colossians 1:20sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana ― eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ ny tany, na ny any an-danitra.
1 Peter 4:1Koa satria niaritra tamin’ ny nofo Kristy, dia alao mba ho fiadianareo izany saina izany; fa izay niaritra tamin’ ny nofo dia efa afaka tamin’ ny ny ota;