Epistily ho an'ny Efesiana 2:4
Fa Andriamanitra, Izay manan-karena amin’ ny famindram-po, noho ny halehiben’ ny fitiavany izay nitiavany antsika,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But God, who is rich in mercy, for his great love wherewith he loved us,
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 2
Cross References
Exodus 34:6Ary Jehovah nandalo teo anatrehany ka niantso hoe: Jehovah, Jehovah, Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana,
Deuteronomy 9:5Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.
Psalms 51:1Ho an’ ny mpiventy hira. Salamo nataon’ i Davida,
Psalms 86:15Fa Hianao, Tompo ô, dia Andriamanitra mamindrà fo sy miantra, Mahari-po sady be famindram-po sy fahamarinana.
Psalms 145:8Mamindra fo sy miantra Jehovah; Mahari-po sady be famindram-po Izy.
Jeremiah 31:3Tany lavitra any no nisehoan’ i Jehovah tamiko ka nanao hoe: Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao, koa izany no nampaharetako famindram-po ho anao.