Epistily ho an'ny Efesiana 2:5
na dia fony mbola matin’ ny fahadisoana aza isika, dia nahavelona antsika niaraka tamin’ i Kristy (fahasoavana no namonjena anareo);
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Even when we were dead in sins, hath quickened us together with Christ, (by grace ye are saved;)
In Context
6ary niara-natsangany isika ka niara-napetrany any an-danitra ao amin’ i Kristy Jesosy,
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 2
Cross References
John 5:21Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany.
Acts 15:11Fa mino isika fa ny fahasoavan’ i Jesosy Tompo no hamonjena antsika, dia tahaka ny azy ihany koa.
Romans 4:16Koa finoana no andovana, mba ho araka ny fahasoavana, hahatò ny teny fikasana ho an’ ny taranaka rehetra,― tsy ho an’ izay amin’ ny lalàna ihany, fa ho an’ izay amin’ ny finoan’ i Abrahama koa, dia ilay razantsika rehetra ―
Romans 5:8Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa fony mbola mpanota isika, dia maty hamonjy antsika Kristy.
Romans 8:2Fa ao amin’ i Kristy Jesosy ny lalàn’ ny Fanahin’ aina no nahafaka ahy tamin’ ny lalàn’ ny fahotana sy ny fahafatesana.
Romans 16:20Fa Andriamanitry ny fiadanana hanorotoro an’ i Satana faingana eo ambanin’ ny tongotrareo. Ho aminareo anie ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika.