Epistily ho an'ny Efesiana 3:2
raha mba renareo ny fitondrana ny fahasoavan’ Andriamanitra izay nomena ahy ho anareo,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
If ye have heard of the dispensation of the grace of God which is given me to youward:
In Context
1Ary noho izany, izaho Paoly, mpifatotra an’ i Kristy Jesosy, noho ny aminareo jentilisa, ―
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 3
Cross References
Acts 9:15Fa hoy ny Tompo taminy: Mandehana, fa fanaka voafidy izy ho fitondrana ny anarako eo anatrehan’ ny jentilisa sy ny mpanjaka ary ny Zanak’ isiraely;
Acts 13:46Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay;
Acts 26:17hamonjy anao amin’ ny olona Isiraely sy ny jentilisa, izay anirahako anao,
Romans 11:13Fa ianareo jentilisa no itenenako. Koa satria Apostolin’ ny jentilisa aho, dia mankalaza ny fanompoako,
Romans 15:15Kanefa amin’ ny fahasahiana no anoratako ny teny sasany aminareo, toy ny mampahatsiaro anareo indray noho ny fahasoavana nomen’ Andriamanitra ahy,
1 Corinthians 9:17Fa raha ny sitrapoko no anaovako izany, dia mahazo valim-pitia aho; fa raha tsy ny sitrapoko, dia natolotra aho ho andraikitro izany.