Epistily ho an'ny Efesiana 4:13
mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 4
Cross References
Jeremiah 32:38ary izy ho oloko, ary Izaho ho Andriamaniny.
Zephaniah 3:9Fa amin’ izany dia hovako ho madio ny molotry ny firenena, Hiantsoan’ izy rehetra ny anaran’ i Jehovah, hanompoany Azy amin’ ny firaisan-kina.
Matthew 11:27Ny zavatra rehetra natolotry ny Raiko Ahy; ary tsy misy mahalala tsara ny Zanaka, afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala tsara ny Ray, afa-tsy Zanaka sy izay tian’ ny Zanaka hanehoana Azy.
John 17:3Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
John 17:25Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao; fa Izaho nahalala Anao, ary ireto efa mahalala fa Hianao no naniraka Ahy.
1 Corinthians 1:10Ary mananatra anareo aho, ry rahalahy, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika, mba hiray teny ianareo rehetra, ka tsy hisy fisarahana eo aminareo, fa mba ho tafakambana tsara ianareo hiray saina sy hevitra.