Epistily ho an'ny Efesiana 5:6
Aza mety hofitahin’ olona amin’ ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 5
Cross References
Numbers 32:13Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka nampirenireny azy tany an-efitra efa-polo taona Izy mandra-pahalany ritra ny taranaka rehetra izay nanao ratsy teo imason’ i Jehovah.
2 Kings 18:20Hoy ianao (nefa teny foana izany): Manana saina sy hery hiady aho. Koa iza no itokianao, no miodina amiko ianao?
Jeremiah 23:14Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’ i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’ i Gomora.
Jeremiah 29:31Maniraha ho any amin’ ny babo rehetra, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ i Semaia Nehelamita: Noho ny naminanian’ i Semaia taminareo, kanefa tsy nirahiko izy tsinona, fa nampitoky anareo tamin’ ny lainga
Micah 3:5Izao no lazain’ i Jehovah ny amin’ ny mpaminany izay mampaniasia ny oloko, dia ireo izay manaikitra amin’ ny nifiny, nefa mitory fiadanana, ary izay tsy manisy hanina eo am-bavany kosa dia iantsoany hanaovana ady masìna:
Matthew 24:24Fa hisy Kristy sandoka sy mpaminany sandoka hitsangana ka haneho famantarana lehibe sy fahagagana, ary raha azo atao, na dia ny olom-boafidy aza dia hofitahiny.