Epistily ho an'ny Efesiana 6:13
Ary noho izany, dia raiso avokoa ny fiadian’ Andriamanitra, mba hahazoanareo hanohitra amin’ ny andro mahory; ary rehefa vitanareo avokoa, dia hahafahatra ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Mifahara ary, ka sikino fahamarinana ny valahanareo, ary mitafia ny rariny ho fiarovan-tratra,
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 6
Cross References
Amos 6:3Hianareo izay mihevitra ny andro mampahory ho mbola lavitra sy mampanakaiky ny seza fandozana,
Luke 8:13Ireo teny ambonin’ ny vatolampy dia izay mandre sady mandray ny teny amin’ ny hafaliana; nefa tsy manam-paka ireo, fa mino vetivety ihany, koa amin’ izay andro isehoan’ ny fakam-panahy dia mihemotra izy.
2 Corinthians 10:4(fa tsy avy amin’ ny nofo ny fiadian’ ny tafikay, fa mahery amin’ Andriamanitra handrava fiarovana mafy);
Ephesians 5:16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.
Colossians 4:12Manao veloma anareo Epafra, ilay anankiray avy aminareo sady mpanompon’ i Kristy Jesosy ary mikely aina mandrakariva amin’ ny fangatahana ho anareo, mba hitoeranareo marina, ka hatoky tsara amin’ izay rehetra mety ho sitrapon’ Andriamanitra.
Revelation 6:17fa tonga ny andro lehiben’ ny fahatezeran’ ireo, ka iza no mahajanona?