Epistily ho an'ny Efesiana 6:21
Fa mba ho fantatrareo koa izay toetro, dia Tykiko, rahalahy malala sady mpanompo mahatoky ao amin’ ny Tompo, no hampahalala anareo ny zavatra rehetra;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
20(iraka migadra noho izany aho), mba hiteny izany amin’ ny fahasahiana aho, toy izay mety hoteneniko.
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 6
Cross References
1 Corinthians 4:17Ary noho izany dia nirahiko ho any aminareo Timoty, zanako malalako sy mahatoky ao amin’ ny Tompo, ka izy no hampahatsiaro anareo ny fanaoko ao amin’ i Kristy, tahaka ny ampianariko ao amin’ ny fiangonana rehetra eny tontolo eny.
Colossians 1:7tahaka ny efa renareo tamin’ i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon’ i Kristy mahatoky ho anay,
1 Timothy 4:6Raha manoro hevitra ny rahalahy ny amin’ izany zavatra izany ianao, dia ho mpanompo tsara an’ i Kristy Jesosy, tezaina amin’ ny tenin’ ny finoana sy ny fampianarana tsara izay efa narahinao.
Titus 3:12Rehefa maniraka an’ i Artema ny Tykiko ho atỳ aminao aho, dia mazotoa hankany amiko any Nikopolia ianao, fa mikasa handany ny ririnina any aho.
1 Peter 5:12Efa manoratra teny fohifohy ho aminareo aho hampitondraina an’ i Silasy, izay ataoko ho rahalahy mahatoky, dia mananatra anareo aho ka manambara fa izany no tena fahasoavan’ Andriamanitra,― tomoera tsara amin’ izany ianareo.