Epistily ho an'ny Efesiana 6:5
Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny fahatahorana sy ny fangovitana, amin’ ny fahatsoran’ ny fonareo, toy ny fanekena an’ i Kristy ihany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily ho an'ny Efesiana 6
Cross References
Joshua 24:14Koa ankehitriny, matahora an’ i Jehovah, ka manompoa Azy amin’ ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an’ i Jehovah.
Psalms 86:11Ampianaro ny lalanao aho, Jehovah ô, Dia handeha amin’ ny fahamarinanao aho; Ampiraiso ny foko hatahotra ny anaranao.
Malachi 1:6Ny zanaka manaja ny rainy, ary ny mpanompo ny tompony; koa raha Ray Aho, aiza ary izay hajako? ary raha Tompo Aho, aiza izay tahotra Ahy? hoy Jehovah, Tompon’ ny maro, aminareo, ry mpisorona, izay manamavo ny anarako, nefa manao hoe: Amin’ inona no anamavoanay ny anaranao?
Matthew 6:24Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
Acts 2:46Ary dia niray saina isan’ andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,
1 Corinthians 2:3ary izaho, raha tany aminareo, dia azon’ ny fahalemena sy ny fahatahorana ary ny fangovitana be;