Bokin'i Estera 1:11
ba hitondra an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 14:25Ary tsy nisy lehilahy tsara tarehy noderaina fatratra tahaka an’ i Absaloma teo amin’ ny Isiraely rehetra, fa hatrany am-paladiany ka hatrany an-tampon-dohany dia tsy nisy tsiny izy.
Esther 6:8aoka halaina izay akanjo fiandrianana efa niakanjoan’ ny mpanjaka sy soavaly izay efa nitaingenan’ ny mpanjaka sady voaisy satro-boninahitra ny lohany;
Proverbs 23:29An’ iza ny Indrisy? An’ iza ny Endrey? An’ iza ny fifandirana? An’ iza ny fitolokoana? An’ iza ny ratra tsy ahoan-tsy ahoana? An’ iza ny maso mivoara-mena?
Mark 6:21Ary rehefa tonga izay andro antonona, dia ilay nanaovan’ i Heroda fanasana ho an’ ny lehibe sy ny mpifehy arivo ary ny loholona tany Galilia tamin’ ny andro fahatsiarovana ny nahaterahany,