Bokin'i Estera 1:2
dia tamin’ izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 1:46Ary koa, Solomona izao dia efa mipetraka eo amin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana.
Esther 2:3ary aoka ny mpanjaka hanendry olona any amin’ ny isan-tokony eran’ ny ny fanjakany rehetra, dia aoka hovorin’ ireny ny zazavavy virijina tsara tarehy rehetra ho ato Sosana renivohitra ho ao an-tranom-behivavy amin’ ny fehin’ i Hegay, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpifehy ny vehivavy; ary aoka homena ny zavatra fidiovany izy,
Esther 3:15Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.
Esther 9:12Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin’ izy folo lahy, zanak’ i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany.
Daniel 8:2Ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka raha mbola nijery aho, dia, indro, tao Sosana tao amin’ ny lapan’ ny mpanjaka izay ao amin’ ny tany Elama aho; ary nahita tamin’ ny fahitana aho, ka teo amoron’ ny ony Olay aho.