The Bible Software
bible.software › Bokin'i Estera › Bokin'i Estera 1 › Bokin'i Estera 1:6

Bokin'i Estera 1:6

ary nisy lamba fotsy sy misoratsoratra sy manga nifehy tamin’ ny kofehy rongony fotsy sy volomparasy tamin’ ny masom-bolafotsy sy tsangantsangany vato marmora fotsy; ary nisy farafara volamena sy volafotsy teo amin’ ny lampivato alabastara sy marmora fotsy sy hara ary marmora mainty.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

Where were white, green, and blue, hangings, fastened with cords of fine linen and purple to silver rings and pillars of marble: the beds were of gold and silver, upon a pavement of red, and blue, and white, and black, marble.

In Context

5Ary rehefa tapitra izany andro izany, ny olona rehetra izay tany Sosana renivohitra, na lehibe na kely, dia nanaovan’ ny mpanjaka fanasana naharitra hafitoana teo amin’ ny kianjan’ ny tanimbolin’ ny tranon’ ny mpanjaka;

7Ary ny olona dia nampisotroina tamin’ ny kapoaka volamena (samy hafa avokoa ny kapoaka,) ary betsaka ny divain’ andriana araka ny fanomen’ ny mpanjaka.

Read all of Bokin'i Estera 1

Cross References

Exodus 26:1Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.

Exodus 26:36Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ ny lay, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.

Esther 8:15Ary tamin’ ny nialan’ i Mordekay teo anatrehan’ ny mpanjaka dia niakanjo akanjo fiandrianana manga sy fotsy izy sady nisatroka satro-boninahitra volamena lehibe sy niakanjo akanjo lava rongony fotsy madinika sy volomparasy; ary faly sy ravo ny tanana Sosana.

Amos 2:8Amin’ ny lamba azony tamin’ ny tsatòka izy no mitsilailay eny anilan’ ny alitara rehetra, ary misotro divay novidina tamin’ ny sazy ao an-tranon’ ireo andriamaniny izy.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Estera 1:6

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Estera 1:5Bokin'i Estera 1Bokin'i Estera 1:7 →