Bokin'i Estera 10:2
Ary izay rehetra nataony araka ny fahefany sy ny heriny mbamin’ ny filazana ny fahalehibiazan’ i Mordekay, araka izay nanandratan’ ny mpanjaka azy, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ i Media sy Persia va izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Ary Ahasoerosy mpanjaka nampandoa hetra ny tany sy ny nosin-dranomasina.
Cross References
1 Kings 14:19Ary ny tantaran’ i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
Esther 2:23Atỳ rehefa nodinihina izany zavatra izany, dia, indro, marina; ka dia nahantona tamin’ ny hazo izy roa lahy; ary nosoratana tao amin’ ny bokin’ ny tantara teo anatrehan’ ny mpanjaka izany.
Esther 8:2Ary nesorin’ ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin’ i Hamana, ka nomeny an’ i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren’ i Estera hanapaka ny tranon’ i Hamana.
Esther 9:4Fa Mordekay dia lehibe tao an-tranon’ ny mpanjaka, ary ny lazany niely tany amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana; fa nitombo sy nisandratra ihany io lehilahy Mordekay io.
Daniel 2:48Ary tamin’ izany ny mpanjaka dia nanandratra an’ i Daniela ho lehibe, ka nanome azy zavatra maro sady lehibe ary nanendry azy ho mpanapaka any Babylona sy ny fehiny rehetra, sy ho lehiben’ ny mpanapaka ny olon-kendrin’ i Babylona rehetra.