Bokin'i Estera 2:10
Nefa Estera tsy mbola nilaza ny fireneny na ny fianakaviany, satria nopeperan’ i Mordekay mba tsy hilaza izany izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 2:7Ary izy nitaiza an’ i Hadasa (Estera izany), zanakavavin’ ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin’ i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
Esther 3:8Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
Esther 7:4fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
Ephesians 6:1Anaka, maneke ny ray sy ny reninareo ao amin’ ny Tompo, fa marina izany.