Bokin'i Estera 2:14
Tamin’ ny hariva no nandeha izy, ary nony maraina dia niverina izy ho ao an-trano faharoa nitoeran’ ny vehivavy, ho amin’ ny fehin’ i Sasegaza, tsindranolahin’ i ny mpanjaka, mpitandrina ny vaditsindrano; ary tsy mba niditra tao amin’ ny mpanjaka intsony izy, raha tsy tian’ ny mpanjaka, ka voatonona ny anarany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 21:14Fa raha tsy tianao intsony ravehivavy, dia alefaso handeha araka izay sitrapony izy: fa aza mivarotra azy hatao vola aman-karena na manandevo azy, satria efa nampietry azy ianao.
Isaiah 43:1Fa ankehitriny, ry Jakoba ô, izao no lazain’ i Jehovah, Izay nahary anao sady namorona anao, ry Isiraely ô: Aza matahotra ianao, fa efa nanavotra anao Aho; Efa niantso ny anaranao Aho, Ahy ianao.
Isaiah 62:4Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’ i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina.