Bokin'i Estera 2:17
Ary tian’ ny mpanjaka mihoatra noho ny vehivavy rehetra Estera, ka nahita fitia sy sitraka teo imasony mihoatra noho ny virijina rehetra izy, ka dia nosatrohany ny satro-boninahitry ny fanjakana izy ka nampanjakainy hisolo an’ i Vasty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 1:11ba hitondra an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
Psalms 75:6Aza manandratra ny tandrokareo ho avo; ary aza miteny sahisahy amin’ ny fahamafian-katoka.
Proverbs 21:1Rano velona eo an-tànan’ i Jehovah ny fon’ ny mpanjaka, Ka tarihiny amin’ izay tiany.
Luke 1:48Fa efa nijery ny fahambani-toetry ny ankizivaviny Izy. Fa, indro, hatramin’ ny ankehitriny dia hataon’ ny taranaka rehetra ho sambatra aho.