Bokin'i Estera 2:5
Ary nisy Jiosy anankiray tany Sosana renivohitra. Mordekay no anarany, zanak’ i Jaïra, zanak’ i Simey, zanak’ i Kisy, avy tamin’ ny taranak’ i Benjamina,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 9:1Ary nisy lehilahy avy amin’ ny Benjamina, atao hoe Kisy, zanak’ i Abiela, zanak’ i Zerora, zanak’ i Bekorata, zanak’ i Afia, Benjamita izy sy mpanjatobe.
2 Kings 24:12Ary Joiakina, mpanjakan’ ny Joda, nivoaka nankany amin’ ny mpanjakan’ i Babylona, dia izy sy ny reniny ary ny mpanompony sy ny mpanapaka mbamin’ ny tandapany; ary nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy tamin’ ny taona fahavalo nanjakany.
Esther 1:2dia tamin’ izany andro izany, raha nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakany, izay tany Sosana renivohitra, Ahasoerosy mpanjaka,
Esther 3:2Ary ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ i Hamana; fa izany no didin’ ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
Esther 10:3Fa Mordekay Jiosy no nanarakaraka an’ i Ahasoerosy mpanjaka sady nalaza tamin’ ny Jiosy ka nankasitrahan’ ny rahalahiny maro, satria nitady hihasoa ny fireneny izy sady nilaza fiadanana tamin’ ny olona rehetra iray firazanana aminy.