Bokin'i Estera 2:7
Ary izy nitaiza an’ i Hadasa (Estera izany), zanakavavin’ ny rahalahin-drainy, izay tsy nanana ray sy reny intsony; ary razazavavy dia soa sady tsara tarehy, ary noraisin’ i Mordekay ho zanany izy, rehefa maty rainy sy reniny.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 1:11ba hitondra an’ i Vasty, vadin’ ny mpanjaka, ho eo anatrehan’ ny mpanjaka, misatroka ny satro-boninahitry ny fanjakana, mba haseho amin’ ny olona sy ny mpanapaka ny hatsaran-tarehiny; fa maha-te-hizaha izy.
Esther 8:1Tamin’ izany andro izany dia nomen’ i Ahasoerosy mpanjaka ho an’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka, ny tranon’ i Hamana, fahavalon’ ny Jiosy. Ary Mordekay nankeo anatrehan’ ny mpanjaka, fa efa voalazan’ i Estera fa rainy izy
Job 31:18(Fa tsy izany, fa hatry ny fony mbola tanora aho, dia notezaina teo amiko tahaka ny zanaka ny kamboty, Ary nitondra ny mpitondratena hatrany an-kibon-dreniko aho);
Daniel 1:6Ary tamin’ ireo dia nisy avy amin’ ny taranak’ i Joda, dia Daniela sy Hanania sy Misaela ary Azaria.
Ephesians 6:4Ary ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa tezao amin’ ny famaizana sy ny fananaran’ ny Tompo izy.