Bokin'i Estera 3:12
Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’ i Hamana ho an’ ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Ezra 8:36Ary ny didin’ ny mpanjaka dia natolony tamin’ ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin’ ny etỳ an-dafin’ ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon’ Andriamanitra.
Esther 8:2Ary nesorin’ ny mpanjaka ny peratra fanombohany, izay efa nalainy tamin’ i Hamana, ka nomeny an’ i Mordekay. Ary Mordekay dia notendren’ i Estera hanapaka ny tranon’ i Hamana.
Esther 8:10Ary nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;
Daniel 6:8Ny komandy lehibe rehetra amin’ ny fanjakana sy ny mpanapaka sy ny solo-mpanjaka sy ny mpanolo-tsaina ary ny governora dia mifanara-kevitra fa tokony hanao lalàna sy didy mafy ianao, ry mpanjaka, ka na zovy na zovy no hanao fangatahana ato anatin’ ny telo-polo andro, na amin’ Andriamanitra na amin’ olona, afa-tsy aminao ihany, ry mpanjaka ô, dia hatsipy ao an-davaky ny liona izy.
Daniel 6:15Dia tezitra indrindra ny mpanjaka, raha nahare izany teny izany, nefa matiny ihany izy ny hanafaka an’ i Daniela, ka nanao izay tratry ny heviny hamonjy azy mandra-pilentiky ny masoandro.