Bokin'i Estera 3:7
Tamin’ ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan’ i Hamana ny amin’ ny isan’ andro isan’ andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany)
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 2:1Ary tamin’ ny volana Nisana tamin’ ny taona faharoa-polo nanjakan’ i Artaksersesy, raha teo anoloany ny divay, dia noraisiko ka natolotro ny mpanjaka. Fa vao izay aho no mba nalahelo teo anatrehany.
Esther 2:16Dia nentina ho ao amin’ i Ahasoerosy mpanjaka Estera, ho ao an-tranon’ ny fanjakana, tamin’ ny volana fahafolo (volana Tebeta izany) tamin’ ny taona fahafito nanjakany.
Esther 9:5Ary nasian’ ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin’ izay nankahala azy izy.
Esther 9:21mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin’ ny folo sy ny fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana Adara isan-taona,
Esther 9:26Izany no nanaovana ireo andro ireo hoe Porima, dia araka ny anarana hoe Pora. Ary araka ny teny rehetra tamin’ izany taratasy izany sy izay hitany ny amin’ izany zavatra efa nanjo azy izany
Ezekiel 21:21Miomana, ka mandrosoa eo ankavanana ianao, mijoroa, ka mandrosoa eo an-kavia, amin’ izay voatendry hamelezanao na aiza na aiza.