Bokin'i Estera 4:1
Nony fantatr’ i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan’ ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 37:34Ary Jakoba dia nandriatra ny fitafiany ka nisikina lamba fisaonana tamin’ ny valahany; ary nisaona ny zanany andro maro.
2 Samuel 1:11Dia noraisin’ i Davida ny fitafiany ka notriariny: ary dia mba nanao toy izany koa ny olona rehetra teo aminy.
Esther 3:8Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;
Job 1:20Dia nitsangana Joba ka nandriatra ny lambany, ary nanaratra ny lohany, dia niapoka tamin’ ny tany ka niankohoka
Job 42:6Koa dia miaiky sy mibebaka Eto amin’ ny vovoka sy ny lavenona aho.
Isaiah 22:4Koa izany no anaovako hoe: Mihodìna tsy hijery ahy, fa hitomany mafy dia mafy aho; Aza dia fatra-pampionona ahy noho ny fandringanana ny oloko zanakavavy