Bokin'i Estera 4:14
fa raha hangina mihitsy ianao amin’ izao andro izao, dia hisy fahafahana sy famonjena hiseho avy amin’ ny fitoerana hafa ho an’ ny Jiosy, fa ianao sy ny mpianakavin-drainao kosa dia haringana; ary iza no mahalala, fa angamba ho amin’ izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin’ ny fanjakana?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Dia nampitondra valiny ho any amin’ i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
Cross References
Genesis 45:4Ary hoy Josefa tamin’ ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta.
Numbers 23:22Nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta izy, ary manan-kery toy ny ombimanga,
Deuteronomy 32:36Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.
Judges 15:6Ary hoy ny Filistina: Iza no nanao izany? Ary nisy nanao hoe: Samsona, vinanton’ ilay Timnita, satria ny rafozany efa nanome ny vadiny ho an’ ny sakaizany. Dia niakatra ny Filistina ka nandoro an-dravehivavy sy ny ankohonan-drainy tamin’ ny afo.
1 Samuel 17:29Ary hoy Davida: Moa maninona aho izao? Mba miteny aho, ka nahoana moa?
Ezra 9:9Fa andevo izahay, nefa tsy nafoin’ Andriamanitray, na dia tamin’ ny fahandevozanay aza, fa nataony nahazo famindram-po eto imason’ ireo mpanjakan’ i Persia ihany hanomezany anay famelombelomana, hanangananay ny tranon’ Andriamanitray sy hanamboaranay ny rava eo, ary hanomezany anay manda any Joda sy Jerosalema.