Bokin'i Estera 4:16
Mandehana ary, vorio ny Jiosy rehetra izay mba ato Sosana ary mifadia hanina noho ny amiko, ka aza mihinana na misotro hateloana na andro na alina; ary izaho sy ny ankizivaviko hifady toy izany koa, ary amin’ izany no hidirako ao amin’ ny mpanjaka, na dia tsy araka ny lalàna aza; koa raha tàhiny maty aho, dia maty.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
15Dia nampitondra valiny ho any amin’ i Mordekay indray Estera ka nanao hoe:
17Dia lasa Mordekay ka nanao araka izay rehetra nandidian’ i Estera azy.
Cross References
Genesis 18:19Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ ireo ny lalàn’ i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’ i Jehovah amin’ i Abrahama izay efa nolazainy taminy.
Joshua 24:15Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an’ i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ ny razanareo tany an-dafin’ ny Ony, na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin’ ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an’ i Jehovah izahay.
2 Samuel 10:12Mahereza ary, ka aoka hitombandahy isika ho an’ ny firenentsika sy ny tanànan’ Andriamanitsika; ary aoka Jehovah hanao izay sitrapony.
2 Chronicles 20:3Dia natahotra Josafata ka nanatrika tsara hitady an’ i Jehovah sady niantso andro fifadian-kanina ho an’ ny tanin’ ny Joda rehetra.
Esther 5:1Ary nony tamin’ ny andro fahatelo, dia niakanjo akanjo fiandrianana Estera ka nitsangana teo amin’ ny kianja anatiny amin’ ny tranon’ ny mpanjaka, dia teo anoloan’ ny tranon’ ny mpanjaka, ary ny mpanjaka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianan’ ny fanjakana tao an-dapa, tandrifin’ ny vavahadin’ ny trano.
Isaiah 22:12Ary amin’ izany andro izany Jehovah, Tompon’ ny maro, Hiantso fitomaniana sy fioriana sy fiharatana ary fisikinana lamba fisaonana.