Bokin'i Estera 5:14
Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin’ ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin’ ny mpanjaka amin’ ny hafaliana ho any amin’ ny fanasana ianao. Ary sitrak’ i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Samuel 13:3Fa Amnona nanan-tsakaiza, Jonadaba no anarany, zanak’ i Simea, rahalahin’ i Davida; ary Jonadaba dia olona fetsy loatra.
1 Kings 21:7Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita.
2 Chronicles 22:3Nandeha tamin’ ny lalan’ ny taranak’ i Ahaba koa izy; fa ny reniny no nanome saina azy hanao ratsy.
Esther 6:4Ary hoy ny mpanjaka: Iza no ao an-kianja ao? Ary Hamana kosa efa sendra tonga tao an-kianja ivelan’ ny tranon’ ny mpanjaka tamin’ izay hiteny amin’ ny mpanjaka ny amin’ ny hanantonana an’ i Mordekay amin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana azy.
Psalms 7:13Raha tsy ibebahana Izy, dia hanasa ny sabany; efa manenjana ny tsipìkany Izy ka manamboatra azy,
Psalms 37:14Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.