Bokin'i Estera 5:2
Ary nony hitan’ ny mpanjaka fa, indro, Estera, vadin’ ny mpanjaka nitsangana teo an-kianja, dia nahita fitia teo imasony izy; ary ny mpanjaka nanondro an’ i Estera tamin’ ny tehim-bolamena izay teny an-tànany. Dia nanatona kosa Estera ka nanendry ny loha-tehina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Nehemiah 1:11Koa mitaraina aminao aho, ry Jehovah ô, mihainoa ny fivavaky ny mpanomponao sy ny fivavaky ny mpanomponao rehetra izay faly amin’ ny fahatahorana ny anaranao; ary hambinina anie ny mpanomponao anio, ary aoka hahazo famindram-po eo imason’ io lehilahy io aho. Fa mpitondra kapoaky ny mpanjaka aho.
Esther 4:11Ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra sy ny olona isan-tokony eran’ ny fanjakany dia samy mahalala fa na iza na iza mankeo amin’ ny mpanjaka ho eo an-kianja anatiny, na lehilahy na vehivavy, nefa tsy nantsoina, dia misy lalàna iray ihany hahafaty azy, afa-tsy izay hotondroin’ ny mpanjaka amin’ ny tehim-bolamena hahavelona azy; ary izaho anefa dia tsy mbola nantsoina hiditra ao amin’ ny mpanjaka intsony telo-polo andro izay.
Psalms 116:1Izaho tia an’ i Jehovah, satria efa nandre Ny feon’ ny fifonako Izy.
Acts 7:10ka nahafaka azy tamin’ ny fahoriany rehetra sady nanome azy fahasoavana sy fahendrena teo imason’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta; ary izy nanendry azy ho mpanapaka any Egypta mbamin’ izay rehetra tao an-dapany.