Bokin'i Estera 5:6
Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Estera teo am-pisotroan-divay: Inona no angatahinao? Fa homena anao izany. Ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena Izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
7Dia namaly Estera ka nanao hoe: Izao no angatahiko sy tadiaviko:
Cross References
Esther 5:3Dia hoy ny mpanjaka taminy: Inona no angatahinao, ry Estera, vadin’ ny mpanjaka, ary inona no tadiavinao? Fa na dia hatramin’ ny antsasaky ny fanjakana aza, dia homena anao izany.
Esther 9:12Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka: Teto Sosana renivohitra aza ny Jiosy efa nahavono sy naharingana diman-jato lahy mbamin’ izy folo lahy, zanak’ i Hamana; koa nanao ahoana kosa no nataony tamin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ ny mpanjaka! Dia inona koa no angatahinao? Fa hatao izany. Ary inona no mbola tadiavinao? Fa homena izany.