Bokin'i Estera 5:9
Dia nivoaka tamin’ izany andro izany Hamana, sady faly sy ravoravo ny fony; fa raha nahita an’ i Mordekay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka izy, fa, indro, tsy mba nitsangana na nihetsika hitsaoka azy akory dia feno fahatezerana taminy izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Kings 21:4Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain’ i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
Esther 2:19Ary raha nisy virijina novorina fanindroany, dia nipetraka teo am-bavahadin’ ny mpanjaka Mordekay.
Esther 3:5Ary rehefa hitan’ i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.
Job 31:31Raha tàhiny ny tao an-daiko tsy nanao hoe: Iza moa no tsy voky tamin’ ny henany?
Psalms 27:3Na dia misy antokony mitoby hiady amiko aza, tsy hatahotra ny foko; na dia misy ady mihatra amiko aza, dia hatoky ihany aho.
Daniel 3:16Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin’ ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin’ izany zavatra izany.