bible.software › Bokin'i Estera › Bokin'i Estera 6 › Bokin'i Estera 6:10
Bokin'i Estera 6:10
Dia hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Faingana ary, alao ny akanjo sy ny soavaly araka ny voalazanao, ka dia ataovy araka izany amin’ i Mordekay Jiosy, izay mipetraka eo am-bavahadin’ ny mpanjaka; aza asiana latsaka izay rehetra nolazainao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
Then the king said to Haman, Make haste, and take the apparel and the horse, as thou hast said, and do even so to Mordecai the Jew, that sitteth at the king’s gate: let nothing fail of all that thou hast spoken.
In Context
9dia aoka izany fitafiana sy soavaly izany no hatolotra eo an-tànan’ ny anankiray izay malaza indrindra amin’ ny mpanapaka voatendrin’ ny mpanjaka, ary aoka izay lehilahy tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra no hampiakanjoina izany ka hampitaingenina amin’ ny soavaly, dia ho entina eny an-kalalahana eto an-tanàna, ary aoka hisy hiantso eo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
11Dia nalain’ i Hamana ny akanjo sy ny soavaly, ka nampiakanjo an’ i Mordekay izy ary nampitaigina azy tamin’ ny soavaly, dia nitondra azy ho eny an-kalalahana teo an-tanàna ka niantso teo alohany hoe: Izao no hatao amin’ ny lehilahy izay tian’ ny mpanjaka homem-boninahitra.
Read all of Bokin'i Estera 6
Cross References
2 Kings 10:10Aoka ho fantatrareo ary fa tsy hisy raraka an-tany ny tenin’ i Jehovah izay nolazainy ny amin’ ny taranak’ i Ahaba; fa Jehovah efa nanao izay nampilazainy an’ i Elia mpanompony.
Revelation 18:7Toraka itsy niderany tena sy nivelomany tamin’ ny zava-mahafinaritra ny tena, dia omeo fanaintainana sy alahelo toraka izany koa izy, satria hoy izy anakampo: Mipetraka ho mpanjakavavy aho, fa tsy mpitondratena, ary tsy mba hahita alahelo mihitsy aho;
This Verse In Other Editions
Study Bokin'i Estera 6:10