Bokin'i Estera 6:12
Ary Mordekay niverina nankeo amin’ ny vavahadin’ ny mpanjaka; fa Hamana kosa nody faingana ho any an-tranony sady nalahelo no nisaron-doha.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 3:15Ary nandry Samoela mandra-pahamarain’ ny andro, dia namoha ny varavaran’ ny tranon’ i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin’ i Ely.
2 Samuel 17:23Ary nony hitan’ i Ahitofela fa narahina ny hevitra nataony, dia nasiany lasely ny borikiny, dia niainga izy dia nody tany an-tranony tany an-tanànany; ary nanafatra ny ankohonany izy, dia nanaton-tena, ka dia maty ary nalevina tao amin’ ny fasan-drainy.
1 Kings 21:4Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain’ i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
2 Chronicles 26:20Ary Azaria mpisoronabe sy ny mpisorona rehetra dia nanatrika nijery azy, ka, indro, boka ny handriny; dia noroahiny hiala teo izy; nefa ny tenany dia mba nivoaka faingana ihany koa, satria Jehovah efa namely azy.
Esther 7:8Ary ny mpanjaka niverina avy teo an-tanimbolin’ ny trano ho ao amin’ ilay efa nisotroany divay teo, ary Hamana sendra niapoka tamin’ ny farafara nandrian’ i Estera. Dia hoy ny mpanjaka: Moa hisavika ny vadin’ ny mpanjaka eto anatrehako eto an-trano va io? Raha vantany vao naloaky ny vavan’ ny mpanjaka izany teny izany, dia nisy nanarona ny tavan’ i Hamana
Job 20:5Dia vetivety foana ny firavoravoan’ ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian’ ny mpihatsaravelatsihy?