Bokin'i Estera 6:13
Dia nolazain’ i Hamana tamin’ i Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra izay zavatra nanjo azy. Ary hoy ny olon-kendry rehetra sy Zaresy vadiny taminy: Raha avy amin’ ny taranaky ny Jiosy Mordekay, izay efa niantomboka nandavo anao teo anatrehany, dia tsy haharesy azy mihitsy ianao, fa ho lavo eo anatrehany tokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Genesis 41:8Ary nony maraina, dia nitebiteby ny fanahiny, ka dia naniraka nampaka ny ombiasy rehetra tao Egypta sy ny olon-kendry rehetra tao izy; ary nambaran’ i Farao tamin’ ireny ny nofiny, kanjo tsy nisy na dia iray aza nahalaza izay heviny tamin’ i Farao.
Deuteronomy 32:10Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin’ ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.
Esther 5:10Kanefa nanindry fo ihany Hamana ka lasa nody tany an-tranony aloha; dia naniraka naka ny sakaizany sy Zaresy vadiny izy.
Job 16:2Efa nandre zavatra maro toy izany aho; Mpampionona mahasorisorena foana ianareo rehetra.
Proverbs 28:18Izay mandeha tsy misy tsiny no ho voavonjy; Fa izay mivadika ka mandeha amin’ ny lalana miolikolika no ho lavo tampoka.
Daniel 5:26Izao no hevitry ny teny: Mene, voaisan’ Andriamanitra ny nanjakanao ka taperiny amin’ izao;