Bokin'i Estera 6:14
Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin’ ny mpanjaka ka naka faingana an’ i Hamana ho ny amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 32:35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.
Esther 5:8Raha mahita fitia eto imason’ ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin’ ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin’ ny mpanjaka ihany aho.