Bokin'i Estera 7:10
Ary Hamana dia nahantony tamin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana an’ i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran’ ny mpanjaka.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Judges 15:7Ary hoy Samsona taminy: Raha manao tahaka izany ianareo, dia mbola hamaly anareo tokoa aho, koa rehefa afaka izany, vao hitsahatra aho.
Esther 8:7Dia hoy Ahasoerosy mpanjaka tamin’ i Estera, vadin’ ny mpanjaka sy tamin’ i Mordekay Jiosy: Indro, ny tranon’ i Hamana efa nomeko an’ i Estera, ary izy dia efa nahantona tamin’ ny hazo, satria naninjitra ny tànany hamely ny Jiosy;
Esther 9:25fa raha nankeo anatrehan’ ny mpanjaka izany, dia nampanoratra taratasy handidy mba hatsingerina ho eo amin’ ny lohany ihany ny hevi-dratsy nokasain’ i Hamana hatao amin’ ny Jiosy, ary mba hahantona amin’ ny hazo izy sy ny zananilahy.
Job 20:8Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin’ ny alina izy.
Psalms 37:15Ny sabany hitsatoka amin’ ny fony ihany, ary ny tsipìkany ho tapatapaka.
Proverbs 26:27Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, Ary izay manakodiadia vato no hikodiavany kosa.