Bokin'i Estera 7:3
Dia namaly Estera, vadin’ ny mpanjaka, ka nanao hoe: Raha mahita fitia eto imasonao ary aho, ry mpanjaka, ka sitraky ny mpanjaka, dia aoka homena ahy ny aiko araka ny fifonako ary ny fireneko araka ny fangatahako;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 1:13Ary dia naniraka mpifehy dimam-polo anankiray koa indray mbamin’ ny dimam-polo fehiny izy. Dia niakatra ilay mpifehy dimam-polo ka tonga, ary nandohalika teo anatrehan’ i Elia ka nifona taminy nanao hoe: Masìna ianao, ry lehilahin’ Andriamanitra ô, aoka ho zava-tsoa eo imasonao ny aiko sy ny ain’ ireto mpanomponao dimam-polo ireto.
Esther 5:8Raha mahita fitia eto imason’ ny mpanjaka aho, ka sitraky ny mpanjaka ny hanome izay angatahiko sy hanome izay tadiaviko, dia aoka ny mpanjaka sy Hamana hankao amin’ ny fanasana izay hamboariko ho azy indray; ary rahampitso dia hanao araka ny tenin’ ny mpanjaka ihany aho.
Job 2:4Ary Satana dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe: Hoditra fefin’ ny hoditra, eny, izay rehetra ananan’ ny olona dia homeny ho-fefin’ ny ainy.
Jeremiah 38:26dia ataovy aminy hoe: Noborahina teo anatrehan’ ny mpanjaka ny fifonako, mba tsy hamerenany ahy ho faty any amin’ ny tranon’ i Jonatana.