Bokin'i Estera 7:4
fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 28:68Ary ianao ho entin’ i Jehovah an-tsambo hiverina any Egypta amin’ izay lalana efa nolazaiko taminao hoe: Tsy hahita izany intsony ianao; dia hivaro-tena ho andevolahy sy ho andevovavy any amin’ ny fahavalonareo ianareo, nefa tsy hisy mpividy.
1 Samuel 22:23Tomoera etỳ amiko, ka aza matahotra; fa izay mikatsaka ny aiko no mikatsaka ny ainao koa; fa eto amiko no hahavoavonjy anao.
Esther 3:9koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan’ ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka.
Esther 4:7dia nambaran’ i Mordekay taminy izay rehetra efa nanjo azy sy ny isan’ ny vola izay nokasain’ i Hamana haloa ho ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka noho ny handringanana ny Jiosy.
Esther 8:6fa hataoko ahoana no fijery ny loza hanjo ny fireneko? Ary hataoko ahoana no fijery ny fandringanana ny havako?
Psalms 44:22Tsy handinika izany va Andriamanitra? Fa Izy mahalala ny miafina ao am-po.