Bokin'i Estera 7:9
Ary Harbona, tsindranolahy anankiray, izay teo anatrehan’ ny mpanjaka, dia nilaza hoe Indro miorina eo akaikin’ ny tranon’ i Hamana ny hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, izay nataon’ i Hamana hanantonany an’ i Mordekay, ilay niteny soa ho an’ ny mpanjaka. Dia hoy ny mpanjaka ahantòny amin’ io izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
1 Samuel 17:51Dia nihazakazaka Davida ka nitsangana teo anilan’ ilay Filistina, dia nalainy ny sabatr’ ilehio ka notsoahany tamin’ ny tranony, dia namonoany azy, sy nanapahany ny lohany. Ary nony hitan’ ny Filistina fa maty ilay lehilahy maheriny, dia vaky nandositra izy.
Esther 1:10Ary tamin’ ny andro fahafito, nony faly ny fon’ ny mpanjaka azon’ ny divay, dia nomeny teny Mehomana sy Bizta sy Harbona sy Bigta sy Abagta sy Zetara ry Karkasa, tsindranolahy fito izay nanompo teo anatrehan’ i Ahasoerosy mpanjaka,
Esther 5:14Dia hoy Zaresy vadiny sy ny sakaizany rehetra taminy: Aoka hanaovana hazo, dimam-polo hakiho ny hahavony, ary raha maraina dia lazao amin’ ny mpanjaka mba hahantona eo Mordekay; fa mandehana miaraka amin’ ny mpanjaka amin’ ny hafaliana ho any amin’ ny fanasana ianao. Ary sitrak’ i Hamana izany zavatra izany, ka dia nampanao ilay hazo izy.
Esther 6:14Ary raha mbola niresaka taminy ihany ireo, dia tonga ny tsindranolahin’ ny mpanjaka ka naka faingana an’ i Hamana ho ny amin’ ny fanasana izay efa namboarin’ i Estera.
Esther 9:14Dia nasain’ ny mpanjaka natao izany; ary nantsoina tany Sosana ny teny, ka dia nahantona izy folo lahy, zanak’ i Hamana.
Job 27:20Ny fampahatahorana mahatratra azy tahaka ny riaka: Nony alina paohin’ ny tafio-drivotra izy;