The Bible Software
bible.software › Bokin'i Estera › Bokin'i Estera 8 › Bokin'i Estera 8:10

Bokin'i Estera 8:10

Ary nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka izy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka, ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa mitaingin-tsoavaly sy soavaly haingam-pandeha ary ampondra, zanaky ny soavalivavy;

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And he wrote in the king Ahasuerus’ name, and sealed it with the king’s ring, and sent letters by posts on horseback, and riders on mules, camels, and young dromedaries:

In Context

9Dia nantsoina tamin’ izay ny mpanoratry ny mpanjaka, tamin’ ny andro fahatelo amby roa-polo tamin’ ny volana fahatelo (volana Sivana izany); ary nosoratana araka izay rehetra nandidian’ i Mordekay izany ho any amin’ ny Jiosy sy ny solo-mpanjaka sy ny governora ary ny mpanapaka amin’ ny isan-tokony hatrany India ka hatrany Etiopia, dia fito amby roa-polo amby zato toko, ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ny isam-pireneny araka ny fiteniny avy, ary ny Jiosy araka ny sorany sy araka ny fiteniny.

11ka ny Jiosy izay teny amin’ ny isan-tanàna dia navelan’ ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin’ ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin’ ny vady aman-janak’ ireny ary handroba ny fananany

Read all of Bokin'i Estera 8

Cross References

2 Chronicles 30:6Dia lasa ny tsimandoa nitondra ny taratasy avy tamin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hitety ny Isiraely sy ny Joda rehetra ka nilaza araka ny didin’ ny mpanjaka hoe: Ry zanak’ isiraely ô, miverena amin’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, mba hiverenany ho amin’ izay sisa aminareo izay tsy azon’ ny tànan’ ireo mpanjakan’ i Asyria.

Esther 3:13Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.

Ecclesiastes 8:4fa ny tenin’ ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?

Isaiah 66:20Ary hitondra ny rahalahinareo rehetra izy, Avy any amin’ ny jentilisa rehetra ho fanatitra ho an’ i Jehovah, Mitaingin-tsoavaly sy ao anaty kalesy sy filanjana, Ary mitaingina ampondra sy rameva haingam-pandeha ho any Jerosalema tendrombohitro masìna, hoy Jehovah, Dia tahaka ny fitondran’ ny Zanak’ Isiraely ny fanatitra hohanina ao anatin’ ny vilia madio ho any an-tranon’ i Jehovah;

Jeremiah 51:21Ary ianao no ho entiko manorotoro soavaly sy ny mpitaingina azy, ary ianao no ho entiko manorotoro ny kalesy sy ny mpitaingina azy;

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Estera 8:10

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Estera 8:9Bokin'i Estera 8Bokin'i Estera 8:11 →