Bokin'i Estera 8:11
ka ny Jiosy izay teny amin’ ny isan-tanàna dia navelan’ ny mpanjaka hivory hiaro ny ainy ary handringana sy hamono ka handripaka ny herin’ ny firenena sy ny tany rehetra izay te-hiady aminy, mbamin’ ny vady aman-janak’ ireny ary handroba ny fananany
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 3:13Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.
Esther 9:5Ary nasian’ ny Jiosy ny fahavalony rehetra ka nokapainy sabatra sy novonoiny ary naringany, fa nahazo nanao araka izay sitraky ny fony tamin’ izay nankahala azy izy.
Esther 9:15Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
Psalms 37:14Ny ratsy fanahy nampitsoaka ny sabany ka nanenjana ny tsipìkany mba hampikarapoka ny ory sy ny malahelo, ary hamono ny mahitsy lalana.
Psalms 137:8Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.
Isaiah 10:6Hamely firenena mihatsaravelatsihy no anirahako azy, ary hamely ny firenena izay iharan’ ny fahatezerako no andidiako azy, hamabo sy handroba ary hanao azy ho fanitsakitsaka tahaka ny fotaka eny an-dalambe.