Bokin'i Estera 8:12
amin’ ny andro iray ihany any amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, dia amin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo amin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany).
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Exodus 15:9Hoy ny fahavalo: Hanenjika aho, hahatratra aho, hizara babo aho ka hanao izay sitraky ny foko aminy, hotsoahako ny sabatra, ka hamongotra azy ny tanako.
Esther 3:13Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.