Bokin'i Estera 8:16
Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
The Jews had light, and gladness, and joy, and honour.
In Context
Cross References
Esther 4:1Nony fantatr’ i Mordekay izay rehetra efa natao, dia nandriatra ny fitafiany izy ka nitafy lamba fisaonana sady nihosin-davenona, dia nankeo afovoan’ ny tanàna ka nitaraina sy nidradradradra mafy;
Esther 9:17tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara; ary nitsahatra izy tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo, ka nataony ho andro fanasana sy firavoravoana izany.
Psalms 30:5Mankalazà an’ i Jehovah, ry olony masìna, ka miderà ny anarany masìna.
Psalms 97:11Ny fahazavana no voafafy ho an’ ny marina, Ary ny fifafiana ho an’ ny mahitsy fo.
Proverbs 4:18Fa ny lalan’ ny marina dia toy ny fipoak’ andro maraina, Izay mihamazava mandra-pitataovovonan’ ny andro.
Proverbs 28:12Raha ravoravo ny marina, dia be ny famirapiratana; Fa raha misandratra kosa ny ratsy fanahy, dia miery ny vahoaka.