The Bible Software
bible.software › Bokin'i Estera › Bokin'i Estera 8 › Bokin'i Estera 8:17

Bokin'i Estera 8:17

Ary teo amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan’ ny didin’ ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And in every province, and in every city, whithersoever the king’s commandment and his decree came, the Jews had joy and gladness, a feast and a good day. And many of the people of the land became Jews; for the fear of the Jews fell upon them.

In Context

16Ny Jiosy dia nahazo fahazavana sy faharavoravoana sy fifaliana ary voninahitra.

Read all of Bokin'i Estera 8

Cross References

Exodus 15:16Mahazo azy ny tahotra sy ny hovitra; Noho ny halehiben’ ny sandrinao dia mangìna tahaka ny vato izy, mandra-pandalon’ ny olonao, Jehovah ô, mandra-pandalon’ny olona izay navotanao.

Deuteronomy 11:25Tsy hisy olona hahajanona eo anoloanareo, fa hataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho azon’ ny tahotra sy horohoro anareo ny tany rehetra izay hodiavinareo, araka izay nolazainy taminareo.

Joshua 2:11Koa nony efa renay izany, dia ketraka ny fonay, ka very hevitra avokoa izahay noho ny aminareo; fa Jehovah Andriamanitrareo, Izy no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany.

Nehemiah 8:10Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masìna ho an’ ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’ i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.

Esther 9:3Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin’ ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin’ ny mpanao raharahan’ ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon’ ny fahatahorana an’ i Mordekay izy.

Esther 9:19Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin’ ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Bokin'i Estera 8:17

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Bokin'i Estera 8:16Bokin'i Estera 8