Bokin'i Estera 8:3
Dia niteny teo anatrehan’ ny mpanjaka indray Estera sady niankohoka tamin’ ny tongony ka nitomany sy nifona taminy mba hahafoana ny ratsy nataon’ i Hamana Agagita sy ny hevitra nataony hamelezany ny Jiosy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
2 Kings 4:27Ary rehefa tonga tany amin’ ny lehilahin’ Andriamanitra tany an-tendrombohitra izy, dia nandray ny tongony; fa Gehazy nanatona hampiala azy. Nefa hoy ny lehilahin’ Andriamanitra: Avelao ihany izy, fa ory ny fanahiny ao anatiny, ary Jehovah efa nanafina izany tamiko, fa tsy nanambara tamiko.
Esther 7:4fa namidy izahay, dia izaho sy ny fireneko, mba haringana sy hovonoina ary haripaka; fa raha tahìny namidy ho andevolahy sy ho andevovavy izahay, dia ho nangina ihany aho; kanefa anie tsy mahonitra ny fatiantoky ny mpanjaka tsinona ilay fahavalo e.
Hosea 12:4Fony mbola tany am-bohoka dia nihazona ny ombelahin-tongotry ny rahalahiny izy, ary rehefa lehibe izy, dia nitolona tamin’ Andriamanitra;