Bokin'i Estera 9:10
izy folo lahy, zanak’ i Hamana, zanak’ i Hamedota, fahavalon’ ny Jiosy, dia novonoiny koa; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
9sy Parmasta sy Arisay sy Ariday ary Vaizata,
11Androtrizay ihany dia nambara tamin’ ny mpanjaka ny isan’ ny voavono tany Sosana renivohitra.
Cross References
Genesis 34:27Ary ny zanak’ i Jakoba nankeny amin’ ny faty ka namabo ny tanàna noho ny nandotoany ny anabaviny.
Exodus 20:5Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin’ ny zanaka hatramin’ ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin’ izay mankahala Ahy;
Esther 5:11Ary nambaran’ i Hamana tamin’ ireo ny voninahitry ny hareny sy ny hamaroan’ ny zanany mbamin’ Izay voninahitra rehetra nomen’ ny mpanjaka azy sy ny nanandratany azy ho ambony noho ny mpanapaka sy ny mpanompon’ ny mpanjaka.
Esther 7:6Fa hoy Estera: Io Hamana ratsy fanahy io no rafilahy sy fahavalo! Dia raiki-tahotra teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny vadin’ ny mpanjaka Hamana.
Esther 9:15Dia nivory indray ny Jiosy izay tany Sosana tamin’ ny andro fahefatra ambin’ ny folo tamin’ ny volana Adara ka namono olona telon-jato lahy tany Sosana; kanefa ny fananany tsy mba norobainy tsy akory.
Job 27:13Izao no anjaran’ ny ratsy fanahy avy amin’ Andriamanitra, sy lovan’ ny lozabe raisiny avy amin’ ny Tsitoha: