Bokin'i Estera 9:19
Koa noho izany ny Jiosy tany ambanivohitra, izay nitoetra tamin’ ny vohitra madinika, dia nanao ny andro fahefatra ambin’ ny folo amin’ ny volana Adara ho firavoravoana sy fanasana sy andro mahafaly ary fifanateran-javatra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 3:5Ireo tanàna rehetra ireo dia samy nasiana manda avo sy vavahady ary hidy hahamafy azy, afa-tsy ny vohitra madinika maro dia maro.
Deuteronomy 16:11ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.
Nehemiah 8:10Dia hoy izy taminy: Mandehana, hano ny matavy, ary sotroy ny mamy, dia mba anatero anjara izay tsy manan-javatra voavoatra; fa masìna ho an’ ny Tompontsika ity andro ity; koa aza malahelo ianareo, fa ny fifaliana avy amin’ i Jehovah no fiarovana mafy ho anareo.
Esther 9:22dia araka ny andro nahafahan’ ny Jiosy tamin’ ny fahavalony, sy ny volana izay nampodiana ny alahelony ho fifaliana ary ny fitomaniany ho andro mahafaly, mba hatao ho andro fanasana sy fifaliana sy fifanateran-javatra ary fanomezan-javatra ho an’ ny mahantra izany.
Zechariah 2:4Dia hoy izaho: Avy hanao inona moa ireto? Ary Izy nanao hoe: Ireo no tandroka nampihahaka ny Joda, ka tsy nisy olona nanandrandra loha; fa ireto kosa dia avy hampahatahotra azy mba hampiongana ny tandroky ny firenena, dia izay nanandratra ny tandrony tamin’ ny tanin’ ny Joda hanely azy.
Revelation 11:10Ary ny mponina ambonin’ ny tany mifaly azy ka ravoravo, ary hifanati-javatra izy, satria nampangirifiry ny mponina ambonin’ ny tany ireo mpaminany roa ireo.