Bokin'i Estera 9:20
Ary Mordekay nanoratra ny amin’ izany zavatra izany sady nampitondra taratasy ho any amin’ ny Jiosy rehetra izay tany amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, na ny akaiky na ny lavitra,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Deuteronomy 31:19Ary ankehitriny soraty ho anareo izao fihirana izao, ka ampianaro ny Zanak’ Isiraely, ary aoka tsy ho afaka am-bavany izao fihirana izao mba ho vavolombelona amin’ ny Zanak’ Isiraely.
Esther 1:1Ary tamin’ ny andro nanjakan’ i Ahasoerosy (ity Ahasoerosy ity ilay nanjaka hatrany India ka hatrany Etiopia, ka nizarazara ho fito amby roa-polo amby zato toko ny fanjakany),
Esther 3:12Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’ i Hamana ho an’ ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka.
Psalms 124:1Fihirana fiakarana. Nataon’ i Davida. Raha tsy Jehovah no nomba antsika,― Eny, aoka hataon’ ny Isiraely hoe:
2 Corinthians 1:10Ary Izy no nahafaka anay tamin’ izao fahafatesana lehibe izao, ary mbola hanafaka ihany; eny, Izy no antenainay fa mbola hanafaka anay koa,