Bokin'i Estera 9:27
dia nanao lalàna tsy azo ovana ny Jiosy ka nanaiky fa izy sy ny taranany ary izay rehetra miray aminy dia hitandrina izany andro roa izany araka ny voasoratra sy araka ny fotoany isan-taona;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Numbers 15:15Ary ny amin’ ny fiangonana, dia lalàna iray ihany sy fanao iray ihany no ho aminareo sy izay vahiny eo aminareo koa, dia lalàna mandrakizay hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany: tsy hisy hafa eo anatrehan’ i Jehovah na ianareo na ny vahiny.
Deuteronomy 29:14fa amin’ izay eto amintsika anio eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitsika sy amin’ izay tsy eto amintsika anio koa;
Judges 11:40ny fandehanan’ ny zazavavin’ ny Isiraely isan-taona hankalaza ny zanakavavin’ i Jefta Gileadita hefarana isan-taona.
2 Samuel 21:1Ary nisy mosary telo taona misesy tamin’ ny andron’ i Davida, ary Davida nanontany tamin’ i Jehovah. Dia hoy Jehovah: Avy amin’ ny taranak’ i Saoly, izay meloka noho ny fandatsahan-drà izao, satria namono ny Gibeonita izy.
Esther 9:21mba hampitandrina azy ny andro fahefatra ambin’ ny folo sy ny fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana Adara isan-taona,
Isaiah 2:3Eny, maro ny firenena no hiainga ka hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’ i Jehovah, Ho any an-tranon’ Andriamanitr’ i Jakoba, Mba hampianarany antsika ny amin’ ny lalany, Ka handehanantsika amin’ ny atorony; Fa avy any Ziona no hivoahan’ ny lalàna, Ary avy any Jerosalema ny tenin’ i Jehovah.