Bokin'i Estera 9:3
Ary ny mpanapaka rehetra isan-tokony tamin’ ny fanjakana sy ny solo-mpanjaka sy ny governora mbamin’ ny mpanao raharahan’ ny mpanjaka dia nanampy ny Jiosy, satria azon’ ny fahatahorana an’ i Mordekay izy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Cross References
Esther 3:2Ary ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ i Hamana; fa izany no didin’ ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.
Esther 8:5ary nanao hoe: Raha sitraky ny mpanjaka, ary mahita fitia eto imasony aho, sady ataon’ ny mpanjaka ho mety izany, ka mahita sitraka eto imasony aho, dia aoka hisy soratra hanova ireny taratasy voahevitr’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ireny izay nosoratany hampandringana ny Jiosy amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakan’ ny mpanjaka;
Esther 8:17Ary teo amin’ ny isan-tokony eran’ ny fanjakana sy teny an-tanàna rehetra izay nahatongavan’ ny didin’ ny mpanjaka sy ny teniny dia nahazo hafaliana sy faharavoravoana ny Jiosy sady nanao fanasana sy andro mahafaly. Ary maro ny olona tompon-tany no tonga Jiosy, satria nahazo azy ny fahatahorana ny Jiosy.
Daniel 6:1Ary Dariosa Mediana no nandray ny fanjakana, rehefa tokony ho roa amby enim-polo taona no andro niainany.