Bokin'ny Eksodosy 10:1
Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mankanesa ao amin’ i Farao; fa Izaho efa nanamafy ny fony sy ny fon’ ny mpanompony, mba hanehoako izao famantarako izao eo aminy;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 10
Cross References
Exodus 3:20Dia haninjitra ny tanako Aho ka hamely an’ i Egypta amin’ ny fahagagana rehetra izay hataoko eo aminy; ary rehefa afaka izany, dia vao handefa anareo izy.
Exodus 7:4Fa tsy hihaino anareo Farao, ka dia hamely an’ i Egypta ny tanako, ary fitsarana lehibe no hitondrako ny antokon’ ny Zanak’ Isiraely oloko hiala amin’ ny tany Egypta.
Exodus 7:14Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Efa mafy ny fon’ i Farao, ka mandà tsy handefa ny olona izy.
Exodus 9:27Dia naniraka Farao nampaka an’ i Mosesy sy Arona ka nanao taminy hoe: Efa nanota aho tamin’ izao, ka Jehovah no marina, fa izaho sy ny vahoakako no meloka.
Exodus 10:20Nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely izy.
Exodus 15:14Mandre ny firenena ka raiki-tahotra; Hovitra no mahazo ny mponina any Filistia;