Bokin'ny Eksodosy 10:16
Ary Farao dia nampaka an’ i Mosesy sy Arona faingana ka nanao hoe: Efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo sy taminareo aho.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Bokin'ny Eksodosy 10
Cross References
Numbers 21:7Dia nankeo amin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Efa nanota izahay, fa efa niteny nanome tsiny an’ i Jehovah sy ianao. Ifony amin’ i Jehovah izahay mba hanesorany ny menarana aminay. Dia nifona ho an’ ny olona Mosesy.
1 Samuel 15:24Ary hoy Saoly tamin’ i Samoela: Efa nanota aho, fa efa nandika ny tenin’ i Jehovah sy ny teninao; fa natahotra ny vahoaka aho ka nihaino ny feony.
1 Samuel 26:21Ary hoy Saoly: Efa nanota aho: miverena, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, fa soa teo imasonao ny aiko androany; indro, efa nanao adala aho ka diso indrindra.
2 Samuel 24:10Ary ny eritreritr’ i Davida namely azy, rehefa voaisany ny olona. Ka dia hoy Davida tamin’ i Jehovah: Efa nanota indrindra aho tamin’ izao nataoko izao; koa ankehitriny mifona aminao aho, Jehovah ô, esory ny heloky ny mpanomponao, fa efa nanao fahadalana lehibe aho.
Job 34:31Fa moa mba efa nisy niteny tamin’ Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;
Matthew 27:4ka nanao hoe: Nanota aho, satria namadika rà marina. Fa hoy ireo: Ahoanay izany? fa asa anao.