Bokin'ny Eksodosy 10:19
Ary Jehovah nahatonga rivotra mahery indrindra avy andrefana kosa, izay nitondra ny valala ka namarina azy tao amin’ ny Ranomasina Mena; dia tsy nisy sisa intsony ny valala eran’ ny tany Egypta rehetra, na dia iray akory aza.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Dia niala teo amin’ i Farao izy ka nangataka tamin’ i Jehovah.
20Nefa Jehovah nanamafy ny fon’ i Farao, ka tsy nandefa ny Zanak’ Isiraely izy.
Read all of Bokin'ny Eksodosy 10
Cross References
Exodus 13:18Fa nentin’ Andriamanitra nivily ho amin’ ny lalana mahazo any an-efitra amoron’ ny Ranomasina Mena ny olona; ary voaomana hiady ny fiakatry ny Zanak’ Isiraely avy tany amin’ ny tany Egypta.
Joel 2:20Ary ilay avy any avaratra dia hampanalaviriko anareo ka horoahiko ho any amin’ ny tany karankaina sy mariry; Ny loha-lalany ho any amin’ ny ranomasina atsinanana, ary ny vodi-lalany ho any amin’ ny ranomasina andrefana; Ary ny hamaimboany hiakatra, ary ny fofon-dratsiny hisondrotra; Fa efa nanao zava-dehibe izy.